<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>J.P. Webster</author>
<title>Ao ny lanitra tsara tokoa FFPM684</title>
<lyrics>[V1]
 Ao ny lanitra tsara tokoa
 Izay fonenana mandrakizay,
 Tany be hasambarana koa ;
 Ao isika hihaona indray ;
 Mifalia, mihobia,
 Fa ao isika hihaona indray.

[V2]
 Ao ny lova izay mamin'ny fo
 Sy fiainana mandrakizay,
 Voninahitra tsy mba ho lo ;
 Ao isika hihaona indray ;
 Mifalia, ..sns.

[V3]
 Ao ny Ray, Loharanon'ny soa,
 Hovantanina rahatrizay,
 Izay hampiditra hoe :
 mandrosoa
 Ao isika hihaona indray ;
 Mifalia, ..sns.

[V4]
 Ao ny Zanaka be indrafo
 Izay nijaly tatý fahizay ;
 Nefa tsy mba nahita ny lo,
 Fa efa velona mandrakizay ;
 Mifalia, ..sns.

[V5]
 Ny fanahin'ny Ray ao tokoa
 Izay mitarika antsika izao
 Sy mananatra antsika ho soa,
 No mitondra antsika hankao
 Mifalia, ..sns.

[V6]
 Matokia, miravoa, mifalia,
 Fa azontsika ny lapan'ny Ray
 Midérà, mihirà, mihobia,
 Fiadanana mandrakizay
 Mifalia, ..sns.</lyrics>
<hymn_number>684</hymn_number>
</song>